INDRAY MIJERY

Notanterahina ny faran’ny andro teo, teo ambany fiahian’ny mpanolotsaina avon’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, ny jeneraly Rabearimanana Lucien, sy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, Pr Ravonimanantsoa Ndaohialy Manda-Vy, ny fametrahana amin’ny fomba ofisialy ny filohan’ny Oniversiten’i Fianarantsoa, ny Pr Hajalalaina Aimé Richard, ireo Sojaben’ny Fakiolte sy tale samihafa.

Tokantrano miisa 367, traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Fytia ka tsy maintsy niala ny trano fonenany namonjy ny toeram-pandraisana, ao amin’ny kaominina Antehiroka, distrikan’ Ambohidratrimo, no nisitraka fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny BNGRC. Nahitana vary 12,5kg, voamaina 2,5kg ary menaka 1 litatra izany. Ho fanamaivanana ny fahasahiranan’ireo fianakaviana tena marefo tra-doza .

Andro maromaro no nitohizan’ny asa fanarenana ny fefilohan’ny Sisaony, ao amin’ny fokontany Tongoloina, kaominina Ampahitrosy, distrikan’Anta­nanarivo Atsimondrano. Efa eny an-kianja ny ekipa manohy ny asa fanarenana sy fanamafisana ny fefiloha simban’ny rano be teo aloha. Tanjona hatrany ny hiarovana ny vahoaka sy ny manodidina amin’ny mety fiavian’ny rano indray.

Partager sur: