Nitsidika ny faritra Atsinanana ny Praiminisitra lehiben’ny governemanta, Rajaonarivelo Herintsalama Andriamasy, ny talata sy alarobia lasa teo. Nanotrona azy tamin’izany ny minisitra efatra mianadahy, mpikambana amin’ny governemanta. Notsidihina nandritra izany, ny tapany atsimon’i Toamasina, distrikan’i Mahanoro sy i Vatomandry izay samy simban’ny rivodoza Fytia avokoa. Toy izany koa ny tao amin’ny fokontany Tapakala, kaominina ambanivohitra Amboditandrohoroho, izay ravan’ny tadio nentin’iny rivodoza iny. Ankoatra izay, nihaona tamin’ny lehiben’ny mpitandro filaminana, ny fitsarana ary ny lehiben’ny distrika ny delegasionina notarihany. Noresahina, nandritra izany, ny momba ny tsy fandriampahalemana izay mampikaikaika ny mponin’i Toamasina.
Nanao fanambarana ny tenany, nandritra izany, fa milamina i Toamasina ary tsy mitombina ny resaka eny anivon’ ny tambajotran-tserasera fa tsy mandry fahalemana ny ao an-toerana. Manoloana izany, namaly ny solombavambahoaka Ratsiraka Rolland, tamin’ny alarobia 5 febroary maraina, fa mirongatra ny tsy fandriampahalemana any an-toerana noho ny tsy fisian’ny asa ataon’ny tanora fa tsy marina ny nolazain’ny Praiminisitra. “Tsy maintsy mikatona amin’ny 10 ora alina kosa ny trano fisotroana mba hiadiana amin’ny firongatry ny tsy fandriampahalemana », hoy ny avy amin’ny OMC.
Etsy ankilany, saika nihodinkodina tamin’ny tamberim-bidin’ny tetikasa Ambatovy ny ady hevitr’ireo ben’ny Tanàna tonga nanatrika ny fihaonana, ny alarobia 6 febroary maraina.
Sajo




