Ireo renim-pianakaviana manana fahasembanana ara-batana, amin’ny ankapobeny, no tsy maintsy mandalo fandidiana rehefa hiteraka. Mahatonga izany ny tsy fahatomombanan’ny ampahany amin’ny vatany ka tsy hahafahany mamoaka zaza ara-dalàna, araka ny fanazavana nentin’ny dokotera iray nanontaniana.
Tsy mora anefa ny fiatrehana ny fandidiana fa mila vola ary mihoapampana izany, araka ny fanazavan’ny renim-pianakaviana iray manana fahasembanana amin’ny tapany ambany. Manomboka eo amin’ny maoja hatrany amin’ny tongotra no tsy tomombana. Tery ny maoja ka tsy maintsy miditra amin’ny fandidiana rehefa hiteraka.
Mavesatra ny fandaniana ara-bola ary mila homanina herintaona mialoha na miohatra aza ny fanagonana izany.
Mangataka ny hisian’ny tohana avy amin’ny fanjakana ireo olona manana fahasembanana tsy maintsy mandalo fandidiana mandritra ny fiterahana ireo, araka izany. Efa marefo ara-batana, marefo amin’ny fidiram-bola noho ny tsy fahafahan’ny herim-batana miasa toy ny olon-drehetra. Antony mamparefo ara-bola azy ireo hanaovana antso amin’ny fanohanana manokana.
Tatiana




