Nahitana fahasimbana avokoa ny lalam-pirenena (RN2, RN5, RN44, …), nandalovan’ny rivodoza Gezani. Lalana manana ny lanjany amin’ny toekarena, ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra avokoa, izy ireo.
Namela takaitra mafy tamin’ny fotodrafitrasa toy ny lalana i Gezani. Maro ny hazo sy andrin-jiro nianjera teny amin’ny arabe. Misy koa ny saron’ny rano, mahatonga ny fahatapahan-dalana. Nandray andraikitra avy hatrany ny minisiteran’ny Asa vaventy (MTP), nampian’ny Zandarimaria, ny manampahefana any an-toerana ary ny mponina sy ny mpampiasa lalana, nanala ireo hazo sy sakana teny amin’ ny arabe.
Natao ho laharam-pahamehana ny famerenana amin’ny laoniny ny fifamoivoizana, indrindra ny lalam-pirenena tena iankinan’ny toekarena sy ny fivezivezen’ny olona sy ny vokatra, mba hampizotra ny famatsiana. Misy koa anefa ny tsy azo anoharana, noho ny fiakaran’ny rano, ka mila mitandrina sy miandry ny fidinan’ ny rano, fa afaka mandeha. Ho an’ny lalam-pirenena RN2 (Antananarivo sy Toamasina), niakatra ny rano any Ambodiboanara sy Fanandrana, 30 km mialoha ny hahatongavana any Toamasina. Toraka izany koa ny tetezana Ampasimbola, PK 339. Efa mizotra araka ny tokony ho izy ny eo Brickaville hatrany Antsampanana, nahitana hazo nianjera maro fa efa nalana.
Miakatra ny rano any Alaotra
Ho an’ny RN 44 (Antananarivo, Vohidiala, Ambatondrazaka, Vohitraivo), niakatra koa ny rano eo Ambalavato, eo anelanelan’ny PK140 sy PK141, any amin’ny kaominina Manakambahiny Andrefana. Toraka izany koa eo amin’ ny tetezana Ilakana (PK 149), Ankazotsaravolo (PK 150-151), eo amin’ny radie Lohafasika PK 161 (Pont Kafe).
Misy koa ny hazo nianjera, na lalana tena ratsy, amin’ny lalam-pirenena RN 5 (Toamasina-Foulpointe- Fenoarivo Atsinanana-Soanierana Ivongo-Mananara Avaratra-Maroantsetra). Toraka izany koa ny RN11A (Antsampanana- Vatomandry-Mahanoro).
Njaka Andriantefiarinesy




