Fenoarivo : Tovolahy 18 taona hita faty tao anaty ranon’ny Vahalava

Hita faty efa tsy nisy aina intsony tao anatin’ny renirano Vahalava, fokontany Madio­ma­nana, kaominina ambanivohitra Fenoarivo, omaly tamin’ny 7 ora sy sasany maraina, ny tovolahy iray 18 taona. Nampandre ny zava-nitranga tamin’ny zandarimaria miasa ao amin’ny zana-tobim-paritra Ambohijafy ny sefo fokontany Ambaniavaratra. Tonga teny ifotony nijery ny zava-misy sy nanao fanadihadiana izy ireo, niaraka tamin’ny mpitsabo ao amin’ny CSB II Fenoarivo. Hita efa nitsingevana sy nivalampatra tao anaty rano ny razana. Mbola teny aminy avokoa ny akanjo nanaovany. Nahitana ratra sy ra nivoaka teo amin’ny vavany, ny sofiny ary ny handriny, nandritra ny fizahana nataon’ny manam-pahefana. Tombanana ho efa telo andro no nahafaty io tovolahy io, raha ny fizahana na­taon’ny mpitsabo. Monina any Ambaniavaratra, fokontany Ma­diomanana, kaominina ambanivohitra Fenoarivo ihany ity tovolahy hita faty ity. Natolotra ny fianakaviany ny razana taorian’ny fizahana sy ny fanadihadiana nataon’ny zandary sy ny mpitsabo.
Ankoatra izay, tovolahy 15 taona maty nilatsaham-potaka tany Ambalanjanakomby, fo­kontany Miarinarivo Sud, kaominina ambanivohitra Maron­dry, distrikan’Ankazobe, afakomaly, tamin’ny 05 ora hariva. Nanao asa aman-draharaha tany an-tsaha ity tovolahy ity sy ny dadany. Teny an-dalana handeha hamonjy fodiana izy ireo no avy ny oram-baratra. Nirefotra tampoka ny varatra ka namely azy ireo. Voa mafy ity tovolahy ity ka maty tsy tra-drano. Efa nahazo fitsaboana kosa ary tsy atahorana ny ain’ilay dadany. Efa nentin’ny fianakaviana teny anivon’ny tokantranony ny razana taorian’ny loza. Omaly maraina, tamin’ny 06 ora, vao nampandre ny zava-nitranga tamin’ny zandarimaria ao amin’ny tobim-paritra Ankazobe ny sefo fokontany.

Mino

Partager sur: