Nivoaka any amin’ny Lakandranon’i Mozambika, omaly hariva, i Gezani. Mbola mitoetra ny oram-baratra miaraka aminy, indrindra amin’ny faritra Melaky, ka nahazo filazana fahamailoana manokana amin’ny mety ho fiakaran’ny renirano sy ny fiandronan’ny rano. Foana kosa ny filazana loza ho an’Analanjirofo, Atsinanana, Alaotra mangoro, Analamanga, Betsiboka, Bongolava, Itasy, Vakinankaratra ary Menabe. Tsy tokony hiandriaka kosa ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Besalampy sy Morombe, satria, mikorontana ny toetry ny andro.
Araka ny fampitam-baovao momba ny fivoaran’ny aretina nendran-drajako (Mpox) iarahana amin’ny “incident manager” cousp nationale, ny Profesora Mamy Randria, nahitana tranga vaovao dimy ahina sy tranga vaovao roa voamarina. Ny iray tany Atsinanana ary ny iray teto Antananarivo, ho an’ny 10 febroary lasa teo. Olona 15 kosa sitrana ka nivoaka ny hopitaly. 296 ny isan’ny tranga rehetra hatramin’ny talata lasa teo ka nahina ny 240 tamin’ireo. Tranga « négatif » kosa nisy 234 ary misy olona sitrana 179, tsy nisy aina nafoy hatramin’izao.
Ho an’ireo traboina any Toamasina sy Ambatondrazaka, vonona hanome sakafo mafana ho fanohanana ara-tsosialy sy maha olona ny ‘’Office national de nutrition (ONN). Napetraka koa ny rafitra fandefasana hafatra fohy amin’ny toerana misy ny olona ahina hisian’ny loza (fihotsahan’ny tany na rano miakatra …), ho fanamafisana ny fampitam-baovao sy fanairana ny mponina voakasika handray fepetra haingana.




