Niara-nilalao antsim-bilona : Zaza 2 taona maty voatsatoka teo amin’ny kibony

Ankizilahikely efa-taona no voalaza fa nahafaty tsy nahy ny zaza niara-nilalao taminy, izay vao roa taona monja. Voatsatoky ny antsim-bilona niarahan’izy ireo nilalao ity farany.

Nifampisintoman’ny zaza roa lahy ny antsim-bilona ka nitera-doza, tao amin’ny tanànan’i Miarikofe­no, kaominina Miantsoarivo, distri­kan’Arivonimamo, ny to­la­kan­dron’ny 8 febroary teo. Tsy na­nampo na inona na inona ny re­nin’ilay zaza roa taona. Efa mpi­ara-milalao ireo zaza roa ireo ary nanohy ny asa aman-draharaha fanaony ao an-to­kan­tra­no io renim-pianakaviana io. Nilalao antsim-bilona tampoka anefa ireo zaza. “Nifampi­sin­toman’izy roa lahy tampoka ny antsim-bilona ka nahazo ny ki­b­on’ilay zaza 2 taona, ny alahady tolakandro”, hoy ny fanazavan’ny renin’ilay namoy ny ainy. Tafi­ditra sahabo ho 1 sentimetatra tamin’ny faritra havanana amin’ny kibon’ilay lasibatra ny dian’antsy. Nivoa-dra ny kibon’ io zaza io. Nifamonjena, nentina teny anivon’ny CSBII Mian­tsoa­rivo izy kanefa tsy tana ny ainy.

Tsy nahy
Notazomin’ny mpitandro fi­laminana, taorian’io, ilay zaza vao 4 taona nahafaty tsy nahy an’io zaza 2 taona io. Fan­draisa­na andraikitra lehibe ho an’ny ray aman-dreny ny fa­na­hara-maso ny zaza. Mate­tika mitranga ny loza rehefa misy ny tandrevaka ataon’ny reny na raim-pianakaviana eo anivon’ny ankohonana kanefa misy zaza mila arahi-maso akaiky. Nampandre ny tonian’ny mpam­panoa lalàna ao Ari­vo­nimamo ny zandarimaria taorian’ny fahazoan’izy ireo ny tatitra rehetra momba ity fahafatesan-jaza tsy nahy ity. Mi­sokatra ny fanadihadiana.

Tsiferana R.

Partager sur: