Entanin’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana, tsy hanararaotra ny fahavoazana, hampiakarana ny vidin’entana, ny mpivarotra sy ny mpandraraha rehetra manerana ny Nosy, ankehitriny. Hentitra ireo mpanara-maso, hiparitaka hitety tsena. Azo antsoina ny laharana maitso 961 handraisana ny fitarainana, raha misy tranga mampiahiahy.
Miverina tsikelikely ny sidina ataon’ny kaompania Madagascar Airlines eto an-toerana raha niato vonjimaika nandritra ny fandalovan’ny rivodoza. Hita ao anatin’ny pejin’ny kaompania avokoa ny fandaharam-potoana momba ny sidina any amin’ny faritra. Misy ihany koa ny laharana eto an-toerana sy any ivelany azo antsoina amin’ny fotoana rehetra hahazoana fanampim-baovao fanampiny ho an’ny mpanjifa.
Androany avokoa vao hamatsy ny entana amidiny ny ankamaroan’ireo tantsaha mpivarotra raha nandany vokatra fotsiny omaly. Nananosarotra, hoy izy ireo, ny nanapaka ny asa andavanandro satria ihena manaraka izay ny fidiram-bola. Na izany aza, vitsy ny entana namidy, mbola vitsy ihany koa ny mpanjifa.




