Voina naterak’ i Gezani : Manampy ireo traboina ny polisy

Nanoloana ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, izay nampitondra takaitra ny faritra Atsinanana, Alaotra Mangoro sy Anala­manga ary ny faritra hafa, nidina ifotony ary mitondra fanampiana amin’ny alalan’ny fidinana ifotony eny anivon’ny elakelantrano, ny ekipan’ny polisim-pirenena. Anisan’izany ny polisy miasa eto Antananarivo Renivohitra izay nanentana ireo mponina miaina eny anivon’ny faritra mora tondra-drano mba ho mailo hatrany hisorohana ny voina tampoka. Na­nampy ireo olona rava fananana sy tsy manan-kialofana izay voatery nafindra eny amin’ny toerana azo antoka rahateo ny polisy. Miasa andro aman’alina izy ireo mba hahafahany miaro ny vahoaka sy ny fananany. Lohalaharana amin’izany ny fisafoana ireo tokantrano traboina voatery nilaozan’ny tompony mba tsy hisian’ny mpa­nararaotra. Ankoatra ireo, nanangana ny ivontoerana ma­nokana ahafahana manangona vaovao ara-potoana eny anivon’ny faritra hiadidiany ny polisim-pirenena. Manoloana ny voina nahazo ny fianakaviana maro, rava trano sy namoy havana, mankahery azy ireo manokana ny ekipan’ny polisim-pirenena.

Tsiferana R.

Partager sur: