Manoloana ny fandalovan’ny rivodoza Gezani eto amin’ny Nosy sy ho fiarovana ny ain’ireo zokiolona mpisitraka ny vola fisotroan-dronono, namoaka lamina manokana ny tahirimbolam-panjakana. Tsy nisokatra, omaly, ireo birao manerana ny faritra Analanjorofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Analamanga, Betsiboka. Noho izany, ireo rehetra tokony ho nandray ny fisotroan-drononony ny 11 febroary, tamin’ireo faritra voalaza ireo dia afaka manatona ny toerana fandraisana mahazatra azy, anio alakamisy.
Noho io fanovana io, mety hitombo ny isan’ireo mpandray vola ka tokony ho samy hanaraka izay lamina apetraky ny tomponandraikitra ny tsirairay. Mila manana faharetana ho fifampitsinjovan’ny rehetra. Marihina fa ankoatra ireo laharana tokony haka ny andron’ny alarobia dia anjaran’ny laharana miafara amin’ny C, D, E, F ihany koa no maka ny anjara volany, anio. Mitohy rahampitso izany ho an’ireo mitondra fahazoan-dalana manokana.
Mila mitandrina amin’ny lalana malama sy ny fiakaran’ny rano na fihotsahan’ny tany eny an-dalana ireo zokiolona misitraka izany.
Tatiana A




