Dingadingana : Nohavaozina ny fitrandrahana

Nohavaozina ny fitrandrahana dingadingana sy drakaka mba hiantohana ny fitantanana taorian’ny dinika nifanaovan’ny minisiteran’ny Toekarena manga sy ireo mpisehatra. Voafaritra tao anatin’izay fa « mikatona ny taom-panjonoana manomboka ny 1 janoary ka hatramin’ny 31 marsa. Nofaritana ihany koa ny haben’ireo hazandrano azo jonoina ireo. Rarana ny fampiasana ny bouteille de plongée  ary napetraka ny « quotas » isaky ny vokatra aondrana, isaky ny mpandraharaha », hoy ny minisitra Chan Kit Waye Jacob. Araka izany, mandalo fanisana avokoa ireo dingadingana mialoha ny fanondranana. Hitohy amin’ity taona ity ny fahafahana managom-bokatra sy manondrana izany, saingy atao mifanaraka amin’ny didy fanapahana vaovao izay nivoaka tamin’ny 02 febroary raha toa ka tranga manokana ireo naondrana tamin’ny taona 2024. Ankilany, nakarina hatrany amin’ny 25 dolara/kilao ny dingadingana aondrana raha toa ka manodidina ny 2,5 dolara/kg izany teo aloha mba ho tombontsoan’ny mpisehatra sy ho fampandrosoana ny toekarena manga.

Henintsoa

Partager sur: