Efa nanomboka omaly ny fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani. Nisy ny fivoriana lehibe tao Toamasina,niarahan’ny fitondrana malagasy sy ny mpiara-miombon’antoka vahiny. Raikitra ny angaredona !
Nanao antso ho an’ny firaisankinam-pirenena, mitodika amin’ny Malagasy rehetra monina eto an-toerana sy any ivelany, hitondra fanampiana ho an’ireo mpiray tanindrazana ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël. Hamonjena ireo traboina noho ny fandalovan’ny rivodoza Gezani izany. Taorian’ny antso nataon’ny fitondram-panjakana, tonga hanolo-tanana an’i Madagasikara ireo mpiray ombon’antoka iraisam-pirenena. Nisy ny fivoriana niarahan’izy ireo sy ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara. Nahitana ny Unicef, Pam, Ocha, masoivohon’i Japon…, omaly, tany Toamasina. Vonona izy ireo hanampy amin’ny fanarenana ny takaitra navelan’ny rivodoza Gezani, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblika. Nankasitrahin’izy ireo rahateo ny haitarika nasehon’ny filohan’ny Fanavaozana izay tonga mialoha tany Toamasina, nandrindra ny paikady hiatrehana ny loza. Ny “Ocha” no sampandraharaha mampifandrindra ireo mpiara-miombon’antoka sy mpamatsy vola iraisam-pirenena. Mba hahazoana antoka fa mifanaraka sy mahomby ny fanohanana sy ny fanampiana omena ny vahoaka traboina, ka ahafahana manamafy ny fanarenana ny fahasimbana nateraky ny rivodoza izany.
Efa misy ny vola
Nanambara ny Sampandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny Fahasalamana (OMS) fa hanome fanohanana ara-bola maika, mitentina 250 000 dolara, ho an’i Madagasikara izy ireo. Ity famatsiam-bola ity izay heverina ho tahirim-bola fanentanana (fonds catalytique) natokana hividianana fanafody sy fitaovana ilaina haingana hiatrehana ny toe-draharaha ara-pahasalamana ankehitriny.
Ankoatra izay, tsy vitsy ny fiaraha-mientana ataon’ny olon-tsotra na fikambanana samy te hanampy ny mpiray tanindrazana ka hanangonana sakafo, fitaovana na fitafiana hatolotra ireo traboina rehetra. Nikarakara fandraisana ireo fanampiana avy amin’ny vahoaka ny Kaominina Antananarivo Renivohotra, nanomboka omaly hatramin’ny alahady, eny amin’ny Parvis Analakely. Azo aterina eny an-toerana ny fandraisana anjaran’ny tsirairay hatolotra ny traboina.
Vonjy




