Nampihetsika avy hatrany ny drafitra vonjy taitrany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM) taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Mila haverina amin’ny laoniny haingana ny zotram-pitaterana rehetra.
Notombanana ara-teknika ny zavatra simban’ny rivodoza Gezani. Notarihin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny minisitra MTM, Raharisone Juste Créscent, izany. Tanjona ny hanarenana sy hanohizana ny asa atao, hamerenana amin’ny laoniny ny fitaterana ana habakabaka, an-tanety, an-dalamby ary an-dranomasina sy an-dranomamy.
Anisan’ny laharam-pahamehana ny fitaterana ana habakabaka. Satria zotra haingana indrindra, hanamorana ny fitaterana ireo fanampiana sy vonjy taitra amin’izao tranga an-kamehana izao. Efa voadio ary azo ampiasaina ny arabe ho an’ny fiaramanidina ao amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy Toamasina. Niverina nanomboka omaly hariva, ny sidina sivily, miainga any Toamasina.
Miverina tsikelikely ihany koa ny fivezivezena amin’ny lalam-pirenena faharoa (Antananarivo –Toamasina). Efa misy ny fiaingana avy any Toamasina, toraka izany koa ny eto Antananarivo. Misy ny fandaminana sy ny fandrindrana ny fifamoivoizana eny an-dalana, ka mila mailo sy manaraka ny toromarika omen’ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraiki-panjakana ny mpampiasa lalana.
Zotra an-dalamby
Mitohy ny fanarenana sy ny fanaraha-maso ny fitaterana an-dalamby, anisan’ny tena ilaina amin’ny fitaterana ny solika miakatra mankaty Antananarivo. Eo koa ny fivezivezen’ny olona monina any amin’ireo tanàna tsy misy arabe, afa-tsy ny zotra an-dalamby.
Toy izany koa ny fijerena ireo fotodrafitrasa amin’ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy… Tanjona ny hamerenana amin’ny laoniny ny fitaterana rehetra, manome antoka sy fiarovana ny mpandeha sy ny mpampiasa ny zotram-pitaterana tsy ankanavaka.
Njaka Andriantefiarinesy




