INDRAY MIJERY

Na dia efa nivoaka any amin’ny Lakan­dra­non’i Mozambika aza ilay rivodoza Gezani, tombanana ho betsaka hatrany ny rano ato anatin’ny 24 ora ho avy, amin’ireo sahandriaka ao anatin’ny faritra Ana­lanjirofo, Atsinanana, Alaotra Mangoro, Sofia, Boeny, Betsiboka, Melaky ary Menabe, araka ny nambaran’ny Météo.

Tetikasam-panabeazana natao hanatsarana ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanabeazana eo anivon’ny “action éducation » ny tetikasa Anjara. Dren miisa 2 no nisitraka izany ka anisany i Analamanga. Tanjona amin’izany ny hanabevoho ny fahaiza-manaon’ny mpianatra, hahaizany manorina samirery ny fahalalana sy ny fahaiza-manao ao aminy.

Hitety faritra hanentana ny olona sembana, handresy lahatra azy ireo, hiditra amin’ny tolotra fahasalamana ara-pananahana ny Afham. Tsy mitovy amin’ny olon-drehetra fa ny fianakaviana no tena entanina ho resy lahatra amin’izany ka hanohana ilay olona manana fahasembanana ao aminy. Ireo fianakaviana matetika no tena sakana raha ny fanazavana.

Partager sur: