Mandraka : Zazavavy 9 taona hita faty

Lasan’ny rano, nidonadona tamin’ireo vato lalovan’ny rano, tao Mandraka ka namoy ny ainy ny zazavavy 9 taona, omaly. Niezaka nanavotra azy ny zokiny saingy tsy afa-nanohitra.

Hita faty tao amin’ny renirano Mangarivotra, ao amin’ny fokontany Ma­n­­draka, kaominina Amba­tolaona, distrikan’i Manjakan­driana, ny zazavavy iray 9 taona, omaly maraina tamin’ny 8 ora. Naharay fampandrenesana avy amin’ny sefo fokontany ao Mandraka ny zandary miasa eo anivon’ny zana-tobim-paritra ao an-toerana momba ny fahaverezan’io zazavavy io. Hiantsena ao Mandraka niaraka tamin’ny zokiny izy kanjo lasan’ny rano tampoka, ny harivan’ny alarobia lasa teo, tamin’ny 6 ora hariva. Tsy niantso vonjy io zokiny io fa niezaka nanavotra ilay zandriny sy nanaraka ny moron-drano. Tsy nahita va­haolana izy vao niantso ny manodidina. Nokarohina na­no­mboka teo io zazavavy io. Niaraka nitady azy ny fokonolona manodidina, niampy ny tomponandraikitra miasa ao an-toerana. Nananosarotra izany noho ny fiakaran’ny rano sy andro nihamaizina. Nanohy ny fikarohana ireo fianakaviana sy ny mpitandro filaminana, omaly maraina. Hita faty efa natsingevan’ny rano io zaza io. Nakarina an-tanety ary nizaha ny vatana mangatsiaka ny mpitsabo eo anivon’ny CSBII. Natolotra ny havany ny nofo mangatsiaka an’io zaza io taorian’izay. Ankoatra io, lehilahy iray hafa koa hita faty teny amin’ny fefiloha Matindrano, fokontany Anta­nandrano, kaominina Ankadi­kely Ilafy, omaly maraina tamin’ny 8 ora. Hitan’ny mpandalo natsingevan’ny rano io lehilahy io. Tsy fantatra mazava ny antony nahafaty azy. No­tilian’ny mpitsabo ny vatana mangatsiaka izay tsy nahitana ratra na mangana. Efa na­lain’ny havany ity farany.

Tsiferana R.

Partager sur: