Stanford Seed Transformation Program: Hampivelatra ny orinasa malagasy maneran-tany

Vonona hanohana ny fampandrosoana ny sehatra tsy miankina ny  Oniversiten’i Stan­ford, any Etazonia, amin’ny alalan’ny fandaharanasa Stanford Seed Transformation Program (STP). « Tanjona ny hanampiana ny orinasa eto an-toerana amin’ny alalan’ny fiofanana hahafahany manitatra ny sehatrasany sy mampivelatra ny fandrahaharany », hoy ny solontenan’ny STP, Davis Albohm, nandritra ny fampahafantarana ny tetikasa tetsy amin’ny Carlton, ny alarobia teo. Maharitra 11 volana ny fiofanana, hampiroboroboana ny fandraharahana mba hipaka mivantana amin’ny fampandrosoana ny toekarena. Fandaharanasa izay misandrahaka aty amin’ny kaontinantan’i Afrika sy Azia ary mampifandray ireo mpandraharaha maneran-tany.
Fepetra
Ahafahana misitraka ny fiofanana ny fananan’ny orinasa mpitantana maromaro sy efa niasa nihoatra ny telo taona ary manana vola mihodina (chiffre d’affaires) eo anelanelan’ny 300 000- 15 tapitrisa dolara. « Misokatra amin’ny sehatra marolafy ny fandaharanasa ka ahafahana mampihatra ireo lesona azo taloha ho amin’ny tontolon’ny orinasa », hoy Rahaingoson Ihari­zaka, anisan’ireo nisitraka ny STP, ny taona 2023. Tombony, hoy izy, ny fahafahana mampivelatra ny fifandraisana amin’ireo mpandraharaha any ivelany sy mampirisika anao handroso hatrany. Marihina fa efa miditra amin’ny andiany fahatelo amin’ny fandaharanasa Stanford Seed i Madagasikara ary manodidina ny 12 ireo orinasa efa nisitraka izany. « Nahangona hatrany amin’ny 2 miliara dolara ireo orinasa nisitraka ny tetikasa hampitomboany ny filàny », hoy kosa ny solontenan’ny Henri Fraise & Cie, Andrianarivelo Marcellin.

Henintsoa

Partager sur: