Hatramin’ny omaly, 38 ny isan’ny olona namoy ny ainy vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani: 32 tao Toamasina II, roa tao Ambatondrazaka, iray tany Anjozorobe ary iray tany Brickaville ary iray avy tany Ankazobe sy Manjakandriana. Enina tsy hita popoka ary 374 naratra. Mahatratra 264 531 ny traboina (tokantrano 72 147), olona 12 140 nafindra toerana (tokantrano 2 992) ka ny 7438 amin’ireo raisina an-tanana amin’ny toeram-pandraisana miisa 45. Ho an’ny fotodrafitrasa, 13 203 ny trano dibo-drano, 37 302 simba ary 18135 rava. 561 ny efitranon-tsekoly tsy manana tafo intsony, 104 simba amin’ny ampahany ary potika tanteraka ny 71, araka ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva.
Na efa nivoaka any amin’ny Lakandranon’i Mozambika aza ilay rivodoza Gezani, mbola manan-kery ny fampitandremana miloko mena amin’ny mety ho fiakaran’ny rano ho an’ireo mponina manamorona ny reniranon’i Betsiboka, Mahavavy Sud, Onibe, Maningory, Ivondro, Rianila, Manambaho, Ranobe, Manambolo, Sambao, Soahanina. Fampitandremana miloko maitso kosa amin’ny mety ho fiakaran’ny rano ho an’ireo mponina manamorona ny reniranon’i Mahajamba, araka ny fanazavan’ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly.
Vonjy




