Toamasina : Mila fanarenana haingana ny hopitaly

Rava ny hopitalim-panjakana ao Toamasina, vokatry ny fandalovan’ny rivodoza Gezani.
Tsy niandry ela fa nidina ifotony ireo delegasionina avy ao amin’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. ‎Nisy ny tombana tamin’ireo fahasimbana tao amin’ny Centre hospitalier universitaire Analankininina sy Morafeno hanomanana ny fanarenana haingana sy hiantohana ny fitohizan’ny tolotra ara-pahasalamana araka ny tokony ho izy.
Manao antso avo amin’ireo mpilatsaka an-tsitrapo ny minisitera hifanome tanana amin’ny fanadiovana sy fanarenana ny hopitaly, hahafahana mandray ireo marary sy maratra.
Teto Analamanga kosa, notanterahina teo anivon’ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamam-bahoaka Analamanga ny hetsika asa tanamaro, nifantoka tamin’ny fanadiovana ny anatiny sy ivelan’ny toeram-piasana.
Tanjona ny hanatsarana ny tontolo iainana sy hanomezana fahafaham-po ireo mpisitraka ny asa eo amin’ny DRSP ary anisan’ny natao ho fisorohana ny fiparitahan’ny aretina izany, amin’ny alalan’ny fitandroana ny fahadiovan’ny toerana iasana.

Tatiana A

Partager sur: