Zaza varira maty notapahin-doha : Lehilahy iray voasambotra, naiditra am-ponja

Maty notapahin-doha tany Betsingala, distrikan’i Mam­pikony, afakomaly tamin’ny 7 ora sy sasany hariva, ny ankizilahy 11 taona, manana toe-tena varira. Tao an-trano izy sy ny zaodahiny iray tamin’io fotoana io. Nisy olona telo, nisaron-tava sy nirongo zava-maranitra (toy ny antsy sy famaky), tonga sy niditra an-keriny tao an-trano. Vantany vao tafiditra, notapahin’ireo olon-dratsy tamin’ny antsy avy hatrany ny lohan’io ankizy varira io. Ankoatra izay, raim-pianakaviana iray hafa ihany koa nokapain’ireo olon-dratsy tamin’ny famaky, nandritra izany. Nikasa hiaro ilay ankizy varira novonoin’ireo olon-dratsy izy no voavely tamin’ny famaky. Niezaka nitsoaka ity farany ary nampandre ny fokonolona tany an-toerana. Nentin’ireo olon-dratsy ny lohan’io ankizy io rehefa vita ny asa ratsiny. Lasa nitsoaka avy hatrany izy ireo, taorian’izay. Vory lanona haingana teny an-toerana nitrangan’ny loza ny fokonolona vantany vao nahare ny zava-nisy. Tsy mbola nisy tranga tahaka izao tany amin’ity distrika ity, raha ny fazanavan’ireo mponina any an-toerana.
Voasambotra afakomaly alina ihany

Nidina nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana ny polisim-pirenena avy amin’ny CSP Mampikony. Natao ny fikarohana ireo nahavanon-doza, taorian’izay. Napetraka ny sakana sy fisavana ireo fiara sy olona rehetra nivezivezy tany an-toerana. Tsy niandry ela, fa voasambotra ny lehilahy iray, tompon’antoka tamin’io vono olona feno habibiana io. Nialana amin’ny fitsaram-bahoaka mety ho niseho, natolotra ny fampanoavana omaly ny raharaha ary naiditra vonjimaika am-ponja ity farany. Mbola misy olona roa hafa niray tsikombakomba tamin’ny vono olona karohina amin’izao fotoana izao. Manao antso avo hijerena akaiky ity raharaha ity ny filohan’ny fikambanana Al­binos Madagascar.

Mino

Partager sur: