Ankadinondry Sakay: Voasambotra ilay lehilahy nidaroka vady aman-janaka

Zatra mampihatra herisetra amin’ny vadiny sy ny zanany va­vikely, notanan’ny zandarimaria ao Ankadinondry Sakay ny raim-pianakaviana iray, oma­ly maraina. Nodaro­darohan-drangahy ny ramatoa vadiny ary lasibatra ihany koa ny zanany vavikely, tao amin’ny kaominina Ankadinondry Sakay, afakomaly alina. Mive­lona amin’ny asa fanamboarana finday ao an-toerana ilay raim-pianakaviana. Mampijaly ny vady aman-janany amin’ny alalan’ny vono sy daroka anefa izy matetika. Tsy sahy nitaraina anefa ilay renim-pianakaviana fa niaritra hatrany ny vono sy ny herisetra nataon’io rain-janany io. Nihoatra ny fefy ny zava-nisy, ny alin’ny alakamisy 12 febroary teo. Mamo ity lehilahy ity ka nifamaly izy sy ilay renin-janany. Nodarohany ka voa mafy ary nivoa-dra mihitsy ilay ramatoa sy ny zanany vavy. Nanatri-maso ny zava-nitranga ny mpiray tanàna ka nanaparitaka avy hatrany ny zava-nisy tamin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera. Niantso vonjy tamin’ny manam-pahefana hijery ifotony ny zava-nisy izy ireo.
Nosamborina
Nanao ny asany avy hatrany ny zandarimaria miasa eo anivon’ny tobim-paritra ao Ankadinondry Sakay. Misotro zava-pisotro mahamamo sady midoroka zava-mahadomelina io raim-pianakaviana io, alohan’ny hanoavany herisetra amin’ny vady aman-janany, araka ny angom-baovao voarain’ny mpitandro filaminana. Nosamborina hatao fanadihadiana ilay lehilahy ary efa eny anivon’ny biraon’ny zandarimaria ao an-toerana, omaly maraina. Voatery notsaboina noho ny ratra nahazo azy ny vady aman-janany. Marihina fa voararan’ny lalàna ny fa­nam­parana herisetra na amin’ ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana.

Tsiferana R.

Partager sur: