Nohainoina teo anivon’ny fampanoavana tao Ambohitrabiby, distrikan’Avaradrano, omaly, ireo olona roa voarohirohy tamin’ny vono olona tetsy Ankadikely Ilafy. Nosamborin’ny mpitandro filaminana taorian’ny fahafatesan’ilay raim-pianakaviana iray voatsatok’antsy ireo olona ireo ka anisan’izany ilay sakazain’ilay namoy ny ainy. Tsy mbola fantatra mazava ny antony namonoan’ireo tsy mataho-tody an’io raim-pianakaviana io. Noleran’izy ireo zava-maranitra teo amin’ny fony, ny ilam-peny ka nitarika ny fahafatesany. Nitaky ny hamoahana ny rariny momba ity tranga ity ny fianakavian’ny maty ary nametraka fitoriana teny anivon’ny manam-pahefana. Niroso tamin’ny famotorana ny zandarimaria miasa ao Ankadikely Ilafy. “Tsy afa-miala amin’ireo olona roa ireo ny fianakaviana satria izy ireo no nanatri-maso ny vonoan’olona”, hoy ny fanazavan’ny havan’ny maty. “Efa maty ny havan’izy ireo vao nampandre ireo roa vavy ireo kanefa nahita ny zava-nitranga”, hoy hatrany ny loharanom-baovao. “Tsy fandraisana andraikitra izany”, hoy ny fanampim-panazana. Andrasana ny fivoaran’ity raharaha ity.
Tsiferana R.




