Fikambanan’ny olona varira : Aiza ny famaizana ireo mpamono olona

“Manoloana ny tranga feno habibiana famonona olona manana toetena varira tao Mampikony, mampanontany tena hoe, aiza ny minisitera tomponandraikitra sy ny fitsarana amin’izao tranga mampalahelo izao?” hoy ny filohan’ny fikambanan’ny olona manana toetena varira, Soja Fulgence. Aiza ireo milaza azy ho mpiaro ny zon’olombelona toa tsy ahenoana teny? Mitsangàna isika fianakavian’ireo olona manana toetena varira eto Madagasikara, sahia mijoro fa efa tsy rariny in­tsony izao, hoy hatrany ny hiakan’ity filohan’ny fikambanana ity.
Tsiahivina fa tamin’ny taona 2025, nahatratra 16 ny fangalarana varira ka ny 3 novonoin’ireo mpaka an-keriny. Andro vitsy lasa izay, nisy olona varira iray indray maty tany Mampikony.
Noho izany, mangataka ny hamerenana ireo raharaham-pitsarana mahakasika an’ireo nahavanon-doza mamono olona varira ny fikambanana. Mbola manamafy amin’ny minisitera tomponandraikitra ny mba hananan’izy ireo drafitra nasionaly entina miahy ireo olona manana toetena varira.

Tatiana A

Partager sur: