Valanaretina Mpox : Mbola misoko miadana ny aretina

Tsy tokony ho variana fa mbola misoko-miadana ny valanaretina Mpox. Ny zoma teo, nisy ny tranga vaovao voamarina miisa 8 ka ny 4 tany Mahajanga, ny 3 Anta­nanarivo ary ny 1 tany Ifana­diana, raha ny tatitry ny minisiteran’ny Fahasalamam-ba­hoaka.
Fitambaran’ny tranga voamarina rehetra hatramin’ny nitrangan’ity aretina ity dia mahatratra 312, tranga ahiahina 255 ary ny tranga tsy izy 251. Miisa 208 ireo sitrana ary tsy mbola nisy ny namoy ny ainy.
Tsy tokony hatao mahakivy ny fitsaboana sy ny fihibohana mandritra ny 21 andro izay tsy maintsy hatao ho an’ireo voaporofo fa mitondra ny aretina. Mivoaka ny hopitaly sitrana soa aman-tsara no tanjona ary arahina tsara ny toromariky ny dokotera amin’ireo fanafody sy fitondran-tena. Tsy tokony ho alaim-panahy hivoaka mialoha na hamihina ny marary ireo mpamangy na dia havana akaiky aza isorohana ny fiparitahan’ny aretina, indrindra amin’ireo olona marefo any an-tokantrano.
Tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fanamafisana ny fisorohana na ao anatin’ny fahasahiranana isan-karazany miseho ao anatin’ny hazakazaky ny fiainana aza ny tsirairay.
Mbola ao anatin’ny fanamarihana ny fifampiarahabana nahatratra ny taona ny mpianakavy sy ny fikambanana ka tsy tokony hisy ny famihinana na fifanorohana na ny fifandraisan-tanana akory aza ho fiarovana ny tena amin’ny fiparitahan’ny valanaretina Mpox.

Tatiana A

Partager sur: