Mampahafantatra ny rehetra ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena mahakasika ireo endrika fisolokiana sy kaonty sandoka mampiasa ny anaran’ireo tomponandraikitra eo anivon’ny minisitera. Entanina, araka izany, ny rehetra ho mailo amin’ny hafatra sy kaonty mampiahiahy, tsy handefa vola na hanome vaovao manokana amin’ireo olona milaza ho tomponandraikitra, ary hitory avy hatrany any amin’ny manam-pahefana raha sendra fisolokiana na fanararaotana.
Niaka-bidy ny anana sy ny legioma rehetra eny amin’ny tsenam-pokontany sy eny amin’ny mpamongady. Simban’ny rotsakorana be ny vokatra ka maro no lo tsy azo amidy, hoy ny mpamboly. 2 000 Ar vao ampy hividianana anana atao fangaron-daoka. 1 500 Ar ka hatramin’ny 2000 Ar ny kapoakan’ny tsaramaso sy ny petit pois, 2 500 Ar ny kilaon’ny concombre…
Natao ho an’ny olona efa miasa nefa tsy manana diplaoma mifanaraka amin’ny traikefa ananany ny validation des acquis de l’exprerience (VAE) na fankatoavana ny fahaiza-manao. Karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa sy ny mpiara-miombon’antoka FMPF izany. Mahazo ny diplaoma Certificat d’aptitude professionnel (CAP) ilay olona mpangataka aorian’ny adina atrehany. 250 ny mpiadina horaisina amin’ny tanàna lehibe 10 manerana an’i Madagasikara. Nanomboka omaly ny fisoratana anarana ary hifarana ny 2 marsa ho avy izao.




