Kaominina Behompy, Toliara II : Nanome tolo-tanana ho an’i Toamasina

Nanome tolo-tanana ho an’i Toamasina, izay voa mafy tamin’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, ny kaominina Be­hompy, Toliara II, faritra Atsi­mo Andrefana. Tonga nanolotra izany tetsy alohan’ny kaominina Antananarivo Reni­vohitra Analakely, izy ireo, ny sabotsy lasa teo. “Tonga eto izahay solontena avy any amin’ny kaominina Behompy mba hiombom-po amin’ny vahoakan’i Toama­sina satria iray ihany isika malagasy”, hoy i Tony Maha­mode Aly Ismaël, ben’ny Tanànan’i Behompy. Misy karazany maro ny fanomezana nentin’izy ireo tamin’izany, toy ny savony, paty, labozia, lamba ho an’ny ankizy sy olon-dehibe.
Tsiahivina fa hetsika nokarakarain’ny kaominina Anta­nanarivo Renivohitra, nanomboka ny alakamisy 12 febroary hatramin’ny alahady 15 fe­broary 2026 lasa teo, ny fanangonana izany. Avy amin’ny olon-tsotra avokoa ny fanomezana rehetra, izay nahatratra 35 taonina. « Ome­na mivantana ny ben’ny tanànan’i Toamasina ny fanomezana rehetra izay azo eto mba hahafahany mizara amin’izany amin’ireo mponina tena sahirana sy mila an’izany amin’ny herinandro ambony”, hoy ny ben’ny Tanànan’Anta­nanarivo, Ramantsoa Harilala. “Tokony hotohizana ny firaisankina ho an’i Toamasina, amin’izao voina mahazo ny Malagasy mpiray tanindrazana izao”, hoy kosa Andrianirina Max Fabien, filohan’ny Rassem­blement national pour la Réfondation.

Mino

Partager sur: