Mbola tsy levona i Gezani: Loza mitatao ho an’Ampanihy sy Beloha

Omaly tolakandro, tany amin’ny 162 km andrefan’­ Itampolo-Ampanihy, no nisy ny foiben’ilay rivodoza Gezani. Nihena hatrany ny heriny. 80 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 110 km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niatsinanana izy ka nahafaka 11 km isan’ora. Tombanana hanakaiky kokoa ny morontsiraky ny distri­kan’Ampanihy Andrefana izy anio alina, mialoha ny hanalavirany tanteraka ny morontsiraka. Ahina, araka izany, ny mety hahavoakasiky ny rivotra mafy (manodidina ny 65 km/ora) ny morontsiraka atsimo sy atsimo andrefana. Nahazo filazana loza mitatao, miloko mena Ampanihy Andrefana sy Beloha. Loza manambana, miloko mavo, kosa ho an’i Tsihombe. « Tsy ahina ny rotsakorana mety haterany satria saika any an-dranomasina no hivangongo kokoa ny rahom-baratra entiny”, hoy ny foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly. Tsy tokony hiandriaka intsony ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’i Maintirano hatrany Taolagnaro satria mikorontana ny toetry ny ranomasina.
Momba ny tatitra navoakan’ny BNGRC taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, tany Atsinanana, 59 ny olona maty, 15 tsy hita popoka, 804 naratra. Mahatratra 423 986 ny traboina ary 16 428 ireo nafindra toerana ka ny 11 468 monina any amin’ny toeram-pandraisana miisa 48.

Vonjy

Partager sur: