Efa tsindrindaona amin’ny fahatongavan’ny vaksiny miaro amin’ny aretina Mpox ny maro. Nampanantena ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa ho avy izany ato ho ato.
Nilaza ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka fa efa ho tonga eto amintsika, alohan’ny faran’ity volana febroary ity, ny vaksiny hisorohana ny aretina Mpox.
Araka ny toromariky ny manam-pahaizana dia laharam-pahamehana hisitraka izany ireo mpiasan’ny fahasalamana miasa eny ifotony izay mifandray mivantana amin’ny marary. Izy ireo no mila miaro tena voalohany mba tsy hifindran’ny aretina eo ampikarakarana ny marary.
Eo koa ireo olona voamarina fa nifandray na nifanerasera mivantana tamin’ny marary latsaky ny 4 andro taorian’ny nahitana an’ilay tranga. Ambony ny ambana amin’ny mety hifindran’ny aretina amin’izy ireny.
Tafiditra ao anatin’ireo tokony hisitraka haingana ny vaksiny koa ireo olona miaina miaraka amin’ny tsimokaretina VIH/Sida.
Ankoatra ireo, ny mpiasa amin’ny sehatra ahitana fifandraisana akaiky sy mivantana amin’ny olona maro ka anisan’izany ny mpampanofa fahafinaretana sy ny mpamily fiara mpanao dia lavitra.
Misy ny lamina napetraka ka ireo tomponandraikitra ara-pahasalamana eny anivon’ny faritra sy ny distrika no hanatona sy hametraka ny fandrindrana rehetra amin’ny hisitrahan’izy ireo ny vaksiny. Efa maro ny miandry ity vaksiny miaro amin’ny Mpox ity.
Tena mbola misy ny aretina eny anivon’ny fiarahamonina ary manaporofo izany ny tatitra nataon’ny fanjakana fa mbola nisy tranga ahina vaovao miisa 3 sy tranga voamarina vaovao miisa 6 teto Antananarivo sy Mahajanga, ny alatsinainy teo. Mitotaly 338 ireo tranga voamarina ao anatin’ny ditrika 29.
Distrikan’i Mahajanga I no misy ny 62%, 11% eto Antananarivo Renivohitra, 4% ao Fianarantsoa.
Tatiana A




