Fikambanan’ny: Terak’Imady Ampiakarina eto Anta­nanarivo ny savika

Nampahafantatra ny hetsika hanandratana ny kolontsaina savika na tolon’omby ny fikambanan’ny Terak’Imady ta­min’ity herinandro ity, izay tarihin’ny filohany Andriamahenin­tsoa Tolojanahary.
Hatao eny Mahatsinjo, kaominina Alasora izany, ny 22 marsa izao. Hanafarana mpanao savika efa tena zatra avy any Amoron’i Mania mihitsy amin’io. Omby efa fanaovana savika ihany koa no hotolomina amin’io fotoana io, izay ampiakarina manokana avy any Imady.
Raha ny fanazavana dia omby vizaky ny asa sy ny fitarihana sarety no eto Antananarivo ka tsy mety amin’ny savika.
Tanjona ny hanandratra ny kolontsaina malagasy sy hampahafantatra ity taranja ity amin’ny vahoakan’Antanana­rivo.
Na ankizy na lehibe, afaka mijery savika eny Mahatsinjo, satria efa misy ny fiarovana napetraka hisorohana ny loza. Kolontsaina tsy mety lefy ary fanao amin’ny karazana fety aman-danonana ny savika any amin’ny faritra Amoron’i Mania iny ka hasandratra eto Antananarivo ihany koa ankehitriny.

Tatiana A

Partager sur: