Omaly maraina, tany amin’ny 431 km atsimo andrefan’i Faux Cap-Tsihombe, no nisy ny foiben’ilay andro ratsy Gezani. 90 km isan’ora ny rivotra miaraka aminy, arahina tafiotra 125 km isan’ora indraindray. Nikisaka nianatsimo somary atsimo andrefana manalavitra ny morontsiraka izy ka nahafaka 50 km isan’ora. Tsy manambana ny Nosy intsony, araka izany, ity andro ratsy ity. Foana avokoa ny filazana loza mahakasika azy, araka ny fanazavan’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, omaly.
Nifindra tamin’ny EPP La foire ny ampahan’ireo traboina nonina tao amin’ny CRJS rehefa ravan’ny rivodoza ny fotodrafitrasa. Nizara telo ny efitra nandraisana azy ireo tao amin’ny EPP satria maro ny olona tonga ka sahirana. Tsy antonona intsony ka tonga nametraka tranolay maro ny tomponandraikitra, ankoatra ny fizarana fanampiana.
Mitohy ny fiaraha-mientana eny ifotony tarihin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, ho fanampiana sy fanarenana ny Dren Atsinanana, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Misy ireo mpiara-miombon’antoka miara-misalahy amin’ny minisitera ka anisan’izany ny Banky iraisam-pirenena. Nanatanteraka fanadiovana teo amin’ny faritry ny Dren Atsinanana izy ireo ary nitsidika ireo sekoly niharam-boina, niaraka tamin’ireo tomponandraikitra sy fikambanana ao an-toerana.




