Toamasina- Fampianarana teknika: Hiverina ny fianarana ho an’ny kilasy famaranana

Nihazo avy hatrany an’i Toamasina, hitsidika ireo ivontoeram-panofanana, LTP sy CFP, voakasiky ny rivodoza Gezani ny minisitry ny Fampi­anarana teknika sy ny fanofanana arakasa, Tsilefa Antonio. Araka ny tombana, simba avokoa ny 80% ny fotodrafitrasa. Ho fanohanana ireo traboina, nitondra vary sy voamaina ho an’ny mpampiofana, mpandraharaha ary vacataires ny minisitra. “kits scolaires” kosa ho an’ireo mpianatra ao amin’ny kilasy famaranana. Nisy ihany koa ny dinidinika niarahana tamin’ireo mpiara-miasa rehetra ka tapaka fa hatao ny ezaka rehetra hahafahan’ny mpianatra miverina mianatra ao anatin’ny herinandro, indrindra ireo kilasy famaranana.
Nidina ifotony tao amin’ny Campus Barikadimy ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny Pr Ravonimanantsoa Ndao­hialy Manda-Vy, tamin’ity herinandro ity, hijery sy handrindra ny asa fanarenana. Araka ny tombana, simba ny ankamaroan’ny fotodrafitrasa, toy ny toeram-piasana, ny efitrano fianarana ary ny trano fonenan’ny mpianatra. Napetraka avy ha­trany ny laharam-pahamehana amin’ny fanarenana: fanamboarana maika ny Cité universitaire, fanarenana ireo efitrano fianarana, ary fananganana fotodrafitrasa mateza sy maharitra. Tanjon’ny minisitera ny hi­antoka ny fitohizan’ny taom-pianarana sy ny fiarovana ny mpianatra. Nihaona tamin’ireo tomponandraikitra notarihin’ny filohan’ny Oniversite, ny Pr Razanakolona Diny, ny minisitra ka niara-nandinika ireo fe­petra maika hapetraka hamahana ny voina lehibe.

Vonjy

Partager sur: