Lion’s Club : Fampisehoana hanampiana traboina

Mikarakara alim-pandihizana sy kaonseritra etsy amin’ny Café de la gare Soarano, androany sy rahampitso, ny ONG Lion’s Club Antananarivo Miranandro. Hanafana ny lanonana, mandritra izany, ny mpanakanto maro. Ahitana an-dry Jean aimé, Do Rajohnson, Lôla, Njara Marcel, sy ny maro hafa. Manomboka amin’ny 8 ora alina, mandra-maraina ny fotoana amin’ireo roa andro ireo. Natao hanampiana ireo traboina lasibatry ny rivodoza Gezani any Toamasina ny antony nanaovana ny hetsika. Alefa any amin’ireo traboina avokoa ny 100% amin’ny tombony ho azo mandritra ny hetsika. « 500 ankohonana any an-toerana no kasaina hisitraka ny tolotra ho ezahin’izy ireo hatao. Tombanana ho 70 tapitrisa Ariary ny vola andrasana hanatanterahana ny fanampiana », hoy i Anatole Victorin, filoha lefitry ny Lion’s Club Miranandro, raha nampahafantatra ny hetsika afakomaly. Fotoana hanampiana sy hanehoana firaisankina izao ary efa misy ny fanaraha-maso sy fidinana ifotony ireo olona tena hisitraka izany.

Mino

Partager sur: