Fitsidihan’ny filoham-panjakana tany Rosia: Hampiasa Drone amin’ny sehatra maro ny fanjakana

Nitohy amin’ny fitsidihana toerana samihafa tao Moscou, Renivohitr’i Rosia ny dian’ny delegasionina, tarihin’ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël any amin’ity firenena ity.

Anisan’ny notsidihin’izy ireo, omaly, tamin’izany ny ivon-toeram-pamokarana sy fikarohana momba ny “Drone” tao amin’ny “Unmanned Aerial World – UAW”. Nasehon’ny Rosianina koa ny vokatry ny fanadihadiana nataon’ity ivontoerana ity amin’ny fampiasana Drone. Azo ampiasaina amin’ny fampandrosoana an’i Madaga­sikara eo amin’ny sehatra maro lafy, toy ny angovo sy ny fambolena izany. Mikendry ny hampiasa izany ny fitondram-panjakana ary vonona hiara-hiasa amin’izany avy hatrany ry zareo Rosianina. Hisy ny fifampizarana traikefa, fanofanana teknisiana ary ny famindrana teknolojia. Voalaza fa mifanaraka amin’ny vina apetraky ny filoham-panjakana ny teknolojia avo lenta tahaka izao, mba hampidirana an’i Madagasikara amin’ny sehatra niomerika sy indostrialy maoderina.
Tsiahivina fa anisan’ny nisongadina tamin’izao dian’ny filoham-panjakana, Randri­anirina Michaël, ny tany Rosia izao ny hanokafana fiaraha-miasa maro lafy amin’ity firenena ity, araka ny dinika nifanaovany tamin’ny filoha, Vladimir Poutine.

Fiaraha-miasa ara-tafika
Anisan’izany ny fampiroboroboana ny sehatry ny angovo, ny fanabeazana sy ny fahasalamana. Manampy iza­ny ny fanohanana eo amin’ny fanorenana fotodrafitrasa sy fiaraha-miasa ara-tafika. Na­ne­ho fahavononana hiara-kiasa amin’i Madagasikara i Rosia, araka ny nambaran’ny filoha Vladimir Poutine. Notsiahiviny koa fa efa manolo-tanana hanampiana ny vahoaka malagasy amin’izao voina eto amin’ny firenena izao amin’ny alalan’ny fampitaovana. Natao hanampiana ireo traboina ao Toamasina. Vonona koa ny Rosianina hanohana ireo Malagasy mandranto fianarana any ka hapetraka ny fiaraha-miasa maharitra eo amin’ny firenena roa tonta.

Tsiahivina fa anisan’ny nambaran’ny filoha Rosianina fa fiara-miasa manan-danja amin’i Rosia i Madagasikara raha aty Afrika.

Synèse R.

Partager sur: