« Tononkalo avy amin’ny tanàna ». Lohateny nampitondrain’ny Havàtsa-Upem ilay hetsika hotontosaina, anio, manomboka amin’ny 10 ora maraina, etsy amin’ny Tranombokim-pirenena Ampefiloha. « Aingam-panahy avy amin’ny tanàna = faritra, vohitra, toerana… Manerana an’i Madagasikara », hoy ny fampahalalana sy fampahafantarana ary famintinana nataon’ny mpikarakara momba ity hetsika hanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny ity. Ireo mpikambana ao amin’ny Havàtsa-Upem no hanome aina ny tononkalo. Arahina kalokalo samihafa izany. Marihina fa ahitana havanana amin’ny antsa tononkalo ity fikambanana ity.
HaRy Razafindrakoto




