Nosokafana, omaly, teny Ambohitsaina Ankatso, ny fanamarihana ny « Andro iraisam-pirenena ho an’ny tenindreny » ifarimbonan’ny Oniversiten’Antananarivo sy ny Ivon-toeram-pikarohana momba ny arika sy ny zavatra ary ny olona malagasy (Itazoma/Ciram) ao amin’ny Zanatsehatra Malagasy, Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra ary Siantsan’ny Maha olona.
Nosantarina tamin’ny diabe norahavana hira, ny fandaharam-potoana. Narahina fampirantiana ireo boky sy voka-pikarohana maro momba ny teny malagasy. Dihy, hira, antsa tononkalo, slam, dontany sy kapotandroka, hira, sns, teo amin’ny Esplanade Ankatso.
Anisan’ny nandray anjara tamin’ny fampirantiana ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK) tamin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fampiroboroboana ny teny malagasy sy ny Tranombokim-pirenena. Teo koa ny Tranombokin’ny Oniversite sy ny avy ao amin’ny Itazoma, izay sady mpikarakara ny hetsika rahateo. Tohizana, anio maraina, amin’ny hetsika ara-tsiansa, ao amin’ny Grand Amphi EGS Ankatso, ny fankalazana. Velakevitra « Teny malagasy ahavitana ny raharaham-pikarohana ». Profesora dimy mianadahy avy amina seha-pikarohana samihafa no hamahavaha io lohahevitra io.
… Nomen-danja indray ny ny teny malagasy sy ny fampiasana izany eo amin’ny fanabeazana sy fampianarana ary eny anivon’ny fiarahamonina. Mila hamaroina sy hatao matetika ny tahaka izao mba hanaitra ny Malagasy fa tsy voatery mindrana ny an’ny hafa hatrany vao afa-miresaka, mikaroka, sns.
Nanangona :
HaRy Razafindrakoto




