Nanendaka mpitondra moto : Dimy lahy nosamborin’ny polisy

Voasambotry ny mpitandro filaminana, afakomaly, taorian’ny fikarohana ireo olona miisa dimy voasaringotra tamin’ny fanendahana mpitondra moto iray teny amin’ny fokontany Ankadivoribe, kaominina Soavina, distrikan’Atsimondrano. Nitrangana asan-jiolahy teny an-toerana, ny alin’ny alarobia 18 febroary lasa teo. Nikasa hamonjy fodiana ny mpitondra moto iray rehefa niainga avy eny Anosizato. Nandrasan’ireo jiolahy kendry tohana anefa io lehilahy io. Nalain’izy ireo ny moto niampy ny taratasy rehetra mirakitra ny momba izany. Tsy vitan’io, norobain’ireo mpanao ratsy koa ny vola teny amin’ilay lasibatra. Nandositra ireo mpandroba taorian’izany. Nampandre avy hatrany ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny PPA Soavina ilay tompona moto. Niroso tamin’ny fikarohana nanomboka iny alina iny ny mpitandro filaminana. Lehilahy iray nifanehetra tamin’izy ireo. Nosamborina ity olona ity ary voamarina fa anisan’ireo nanendaka ilay mpitondra moto. Nitoroka ny namany ity farany rehefa natao fanadihadiana. Olona roa hafa noraisim-potsiny. Nentina teny amin’ny biraon’ny polisy, olona roa mpandray sy mpividy ny moto avy nangalarina notorohin’ireo jiolahy ireo. Vokany, olona dimy niaraka notanan’ny polisy. Atao fanadihadiana ary hatolotra ny fampanoavana.

Tsiferana R.

Partager sur: