Tanjombato : Lehilahy tratra teo am-pamakiana trano

Tra-tehaky ny polisy teo am-pamakiana tranon’olona iray, tetsy Malaza Tanjombato, ny lehilahy iray, 30 taona, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Nihanika tambohon’olona io olon-dratsy io. Nahatsikaritra izany ireo polisy nanao fisafoana amin’ny alina sy efa nametraka paikady ka nanenjika sy nisambotra azy. Nan­dositra avy hatrany anefa ity farany vao nahatazana ireo polisy. Nanao tifitra fampitandremana ireo manam-pahefana ka voatery nijanona izy ka azo sambo-belona. Hita teny aminy, ny solosaina iray sy radio fatao anaty fiara (autoradio) ary projecteur iray hafa. Nafeniny tao anaty kitapo babena iray ireo entana avy nangalariny ireo, nandritra ny fahitan’ny polisy avy amin’ny vondron-kery Unité d’intervention rapide (UIR), miasa ao amin’ny kaomisarian’ Atsi­mon­drano. Anisan’ny kitapo very nandritra ny vaky trano niseho teny an-toerana ny alahady teo ihany io nampiasainy nanafenany entana io, raha ny fanazavana voaray.
Nentina nanao fanadihadiana eny anivon’ny biraon’ny CSP Tanjombato ny tenany taorian’izay. Mitohy ny famotorana azy mba hahafantarana ireo mpiray tsikombakomba aminy manao ny asa ratsy. Marihina fa miaina tanteraka ao anatin’ny horohoro sy tahotra ny mponina eny Tanjo­mbato amin’izao. Mirongatra ny vaky trano eny an-toerana sy ny manodidina tamin’ity volana febroary ity. Ahenoana vaky trano indroa nisesy tao anatin’ny alina iray, raha ny voalazan’ny mponina. Nahazo fitarainana mahakasika izany ny polisy ka nidina nanao ny fanaraha-maso ka izao nahazahoam-bokany izao.

Mino

Partager sur: