Maika ny fanarenana ny Mozea Vavitiana ao Toamasina. Anisan’ny nitondra takaitra mafy koa ity tranombakoka mitahiry ny tantaran’i Madagasikara ity, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani. Harenina haingana ity vako-pirenena ity, raha ny nambaran’ny minisitera. Nahitam-pahavoazana mavesatra ihany koa ny Tranoben’ny kolontsaina sy ny serasera, “Masôva 501”, izay sady biraon’ny minisitera no fandraisana ireo hetsika ara-kolontsaina maro.
Hisy ny tafatatra iarahana amin’i Tsiory Randriamanantena, talen’ny Mozean’ny saripika. Hotontosaina anio amin’ny 2 ora, eny amin’ny Fondation H Analakely izany. Hamoaboasana ny lohahevitra manodidina ny fifandraisana eo amin’ny Tantara, Kolontsaina, tany sy fotoana. Hanasana ireo rehetra liana amin’ny kolontsaina sy ny manodidina azy, na mpisehatra anatin’ny tontolo na tsia.
Hihetsika ihany koa ireo mpanakanto malagasy monina atsy la Réunion. Hisy ny fampisehoana fanehoana firaisankina amin’i Toamasina, izay hataon’izy ireo anio amin’ny 7 ora alina. Hifarimbona amin’izany ry Lindigo, Tiana, Balita, Vaniah, Nina de Menabe, Jeahy, Delaura, Dago Roots, Vetso, Miane Anise, G –Ricko, Soa Ravelo, Balck 974, Razafy Céléste, ary ny Valiha. Natao hanangonana fanampiana, izay halefa hotsinjarain’i Shyn sy Denise ny vola azo amin’izany.
“Fanahy Diamondra”. Fampisehoana orgue, izay hotontosaina rahampitso alahady amin’ny 2 ora sy sasany, eny amin’ny FJKM Ambohitrarahaba izy ity. Hifandimby hitendry ny orgue Diamondra mandritra izany ry Sonn, Rindra, Tahiana, Miravo, Jackie, Tse, Manohisoa, Mirindra, Tsanta. Hanampy eo main’ny piano kosa i Fy Rajaofetra, amponga maroanaka i Nomena sy Antsaly, gitara i Riana, gitara beso i Rindra sy Miaro. Hifarimbona eo amin’ny hira ry Rija Ramamantoanina, Anaa Sisters, Elsi ary Dassi.




