TSELATRA

Fatin-dehilahy iray hitan’ny fokonolona tao anaty rano tao amin’ny seranan-tsambon’i Mahajanga, omaly maraina. Ahin’ireo mpiasa ao an-toerana ho mamo io lehilahy io ka latsaka tampoka tao anatin’ny rano ary nitarika tamin’ny fahamoizany aina.
Nirefotra tampoka ny fitaovana mpamokatra herinaratra « groupe » ka nahamay ny trano iray tao amin’­ny Valpinson, kaominina Toamasina, omaly. Tsy nisy namoy ny ainy saingy potika tanteraka noho ny fahamaizana ilay trano lasibatra.
Nosamborin’ny polisy ny renim-pianakaviana iray mpisoloky amin’ny alalan’ny vovo-bolamena hosoka, teny Antanimena, ny 18 febroary teo. Nahatrarana an’io vovo-javatra maka loko toy ny volamena io teny amin’ilay ramatoa niampy vola 100Ar.
Novakian’ny olon-dratsy ny fiangonana katolika Ekar Sainte Trinité Masina Antsirabe, ny alin’ny talata 17 febroary lasa teo. Lasan’ireo mpanao ratsy avokoa ny vata fanamafisam-peo tao am-piangonana.

Partager sur: