VAOVAO TAMBATRA

Hatao ny 13 sy ny 14 marsa ho avy izao, ny « Salon des Transports et de la Chaîne logistique », eo ambany fiahin’ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Hetsika lehibe, hampivondronana ireo mpisehatra rehetra amin’ny fitaterana sy ny sehatra mifandraika aminy. Zava-dehibe ny fanamafisana ny fotodrafitrasa, ny fanatsarana ny rojom-pamatsiana ary ny fanavaozana ara-teknolojika.

Mitohy ny fanarenan-dalana eto an-dReni­vohitra. Nanomboka, omaly, ny asa eny Tsimbazaza, Soanierana ary Ankadimbahoaka. Horakofana godirao ny rarivato, hatao « béton » ny ampahany sasany, misy koa hatao « point-à-temps ». Tanjona ny hampaharitra ny lalana, sady hanatsarana ny fivezivezen’ny mpampiasa lalana.

Nitsidika tampoka ny orinasa mpanodina vatosoa « Lapidaire Lalasoa », any Tanambao SPM Maintirano, ny fitantanam-paritry ny Harena an-kibon’ny tany Melaky. Nohamarinina ny tahirim-bato efa voahodina. Nampianarina sy nomena torohay ireo mpanodina vato, amin’ny fomba fanaovana rejistra fanangonam-bato sy ny fitahirizam-bato. Nentanina koa hanao fanamiana sy fitaovana aroloza (EPI).

Partager sur: