Ambatoroka : Rangahy 50 taona naratra mafy voadonan’ny moto

Nisehoana lozam-pifamoivoizana naharatrana olona indray tetsy Ambatoroka, manoloana ny daba fanariam-pako, ny sabotsy alina, tokony tamin’ny 11 ora latsaka fahefany. Raim-pianakaviana to­kony ho 50 taona, naratra mafy voadonan’ny moto ma­rika Sym Jet Power, miloko mainty sy volomboasary, teny an-toerana. Nandeha an-tongotra tamin’ny sisin-dalana izy io, no voafokan’ilay moto ka nianjera sy naratra. Naratra mafy teo amin’ny lohany izy, noho ny dona mafy nahazo azy ary voatery noentina haingana any amin’ny hopitaly CHU-JRA Ampefiloha. Fiara iray no niangaviana sy nitondra ny marary tany amin’ny toeram-pitsaboana.
Tonga teny an-toerana ny polisim-pirenena misahana ny lozam-pifamoivoizana (BAC) Tsaralalàna. Nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana teny ifotony izy ireo. Teo koa ny polisy avy amin’ny CSP2 Ambohijatovo. Raha ny fan­tatra, lehilahy iray 26 taona, mpanao taxi-moto no nitondra ny moto izay nahavanon-doza tamin’io fotoana io. Monina eny Antohomadinika ny tenany. Fantatra fa mamo ity mpamily ity, nandritra ny fizahana nataon’ny mpitandro filaminana. Noentina natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny polisy moa ny tenany taorian’izay.
Entanina hatrany ny mpam­piasa lalana sy ny mpamily, mba tsy ampiaraka ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola sy ny familiana. Antony iray anisan’ny mitera-doza sy mahatonga ny lozam-pifamoivoizana betsaka indrindra ny fahamamoana.

Mino

Partager sur: