Ambohimanambola : Tovolahy hita faty tao anatin’ny ranon’ikopa

Natelin’ny ranon’Ikopa ny tovolahy iray izay hita faty afakomaly. Nilomano teo akaikin’ny hotely iray eny Ambohimanambola izy no tra-doza.

Tovolahy iray 22 taona, hita faty natsingevan’ny reniranon’Ambohima­nam­bola, afakomaly tamin’ny 10 ora maraina. Nilomano sy nilalao rano izy sy ny namany tamin’ny zoma atoandro lasa teo. Lasa teny amin’ny toe­rana lalina anefa izy ka nilen­tika. Nifamonjen’ireo namany, saingy tsy avotra. Nampila­zana ny zava-nitranga ny fianakaviana sy ny manam-pa­hefana isan-tsokajiny. Niara-nisalahy nanao ny fikarohana ny fokonolona, ny fianakaviana ary ny mpitandro filaminana na andro na alina. Notetezina avokoa ny faritra rehetra manamorona ny renirano, izay toerana nitrangan’ny loza. Natao ny fampilazana ny zava-nitranga tamin’ny mponina manoloana izany. Nande-ha ny fikarohana ary tsy hita mi­hitsy izy raha tsy iray andro taty aoriana. Efa nitsingevana teny afovoan’ny reniran’Ikopa izy no hitan’ny olona. Nampia­katra ny razana teny an-tanety ny avy amin’ny vondrona mpamonjy voina. Tonga teny an-toerana nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadiha­diana ny polisim-pirenena avy aminn’ny CSP Alasora. Nato­lotra ny fianakaviana ny ra­zana taorian’ny fizahana na­taon’ny mpitsabo.

Mianaka niara-maty
Hita faty afakomaly sabo­tsy, tany amin’ny ranomasin’i Nosy Be, ny raim-pianaka­viana 35 taona sy ny zanany lahy kely dimy taona. Tonga naka sy nampiakatra ny ra­zana ny mpanjono tany an-toerana. Nandeha nanjono teny amin’ny ranon’Ambaro­vato Antrema Nosy Komba izy mianaka ireo, ny zoma atoandro lasa teo. Latsaka tany anaty rano anefa ny entana notazomin’ilay raim-pianakaviana ka nilomano naka izay izy, raha ny fanazavana voaray avy amin’ny fianakaviana. Latsaka tao anaty rano ihany koa ilay zaza, taorian’izay, ka samy lasan’ny rano izy roa. Izay heverina ho nanaraka ny dadany avy aty aoriana. So­mary niakatra ny rano, noho ny fiavian’ny orana tato ho ato, ka antony tsy nahavotra azy ireo.

Lakana efa tsy nisy olona intsony, no nisy nahatsikaritra, ka nikaroka azy mianaka ireo, nefa tsy nahita. Natao ny fampilazana ny zava-nisy tamin’ny fianakaviana sy ny manam-pahefana rehetra taorian’izay. Nanomboka teo ny fikarohana saingy tsy nahitam-bokany iny andron’ny zoma iny. Nitohy hatrany ny fikarohana ary hita teny afovoan’ny rano, efa nitsinge­vana izy ireo ny sabo­tsy ma­raina.

Mino

 

Partager sur: