Fampianarana teknika :Toerana 250 ho an’ny mpampianatra vakatera

Miisa 250 ny “postes budgétaires” natokan’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arakasa ho an’ny taona 2025. Tafakatra 1 500 anefa ny mpampianatra vakatera miasa manerana ny Nosy sy amin’ny ivontoeram-piofanana tantanin’ny minisitera. Ho sarotra, araka izany, ny fifantenana. Nanazava ny sekretera jeralin’ny minisitera, Razafimahefa Jean Jacques Romuald, fa “ho laharam-pahamehana ireo vakatera efa niasa sy mbola miasa ao anatin’ny rafitra mba hanomezan-danja ny traikefa ananany”. Ankilany, hatao mangarahara tanteraka ny fifantenana. Natsangana, noho izany, ny vaomiera manokana hanara-maso ny fizotry ny fifantenana, ahitana ny Bianco, solontenana sendika, vakatera ary tompon’andraikitra ara-teknila avy amin’ny minisitera. Marihina fa anisan’ireo masontsivana ho an’ny kandida tsirairay ny fahaizany, ny habetsaky ny ora hiasany, ny taona sy ny vanim-potoana niasany ary ny traikefa ananany. Notohizan’ity tomponandraikitry ny ministera ity fa « anisan’ireo antotan-taratasy takina ho an’ny kandida ny diplaoma, ny fahaizany, ny habetsaky ny ora nampianarany, izay alefa eny anivon’ny biraon’ny talem-paritra hatramin’ny 6 marsa ».

Henintsoa

Partager sur: