Fanadiovana an’i Toamasina : Lasa hetsika iraisam-pirenena, mihazakazaka ny mpiara-miombon’antoka

Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gezani, tsapa fa tsy irery i Toamasina. Na ny eto an-toerana na ny sehatra iraisam-pirenena dia hita fa miombom-po sy miray hina amin’ny fanampiana ity renivohitra ara-toekaren’i Mada­ga­sikara ity.
Raha iverenena, teto an-toerana ny filohan’ny Fana­vaozana ny Repoblikan’i Ma­da­gasikara, ny kolonely Ran­drianirina Michaël, nialoha ny rivodoza Gezani, hiatrika an’izany hamafin’ny rivotra mahery hoentin’i Gezani izany. Vao marainan’ny 11 Febroary, taorian’ny rivodoza rahateo efa nitety faritra maro teto an-drenivohitra nijery ireo fahavoazan’ny mponin’i Toamasina ny filohan’ny Fanavaozana ny repoblikan’i Madagasikara tsapany hita fa voa mafy tokoa
Tsy niandry ela ny mpiara-miombon’antoka fa andro vitsy fotsiny taorian’ izay dia efa tonga nifanome tanana tamin’ny kaominina ambonivohitr’i Toamasina amin’izay hanarenana ny faritra izy ireo.

Andriafanomezantso Alain Ben’ny tanàna
Tsy mandry andro aman’alina ny ben’ny tanànan’i Toa­masina amin’ny fikaroham-bahaolana hanarenana an’i Toamasina. Vokany, nahetsika ny herivelona rehetra ka mitsinjara roa miavaka tsara ny fanentanana ny olona handray anjara amin’ny fanadiovana sy ny fitarihana ara-tsakafo.
Ho an’ny kaominina manokana, misy fampisakafoanana faobe, izay aharitra hatramin’ny 30 andro raha ny Fid kosa no misahana ny faharoa. Ireo rehetra ireo dia samy manana ny olona tarihan’ny tanjona Toamasina Madio miverina amin’ny laoniny.

Samy mamoaka fako amin’ny arabe
Akoatra ny mpitondra fikambanana manapy amin’ny fanadiovana ny tanàna, orinasa maro ihany koa mifandrimbona ary manome fiarabe mpitatitra sy milina mpampiakatra fako.
Hatreto, feno vao maraina ny toerana malalaka sy amoron-dalana fitoeran’ny fako ary miasa andro aman’alina ny mpanary fako, tarihan’ny ben’ny Tanàna niatrehan’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta rahateo izany, tamin’ny zoma lasa teo.
Ireo orinasa vaventy kosa eto dia sady miantoka fiara, solika ary sakafon’ny olona raha tsy ilaza ny tetikasa Ambatovy, Spat, ho mariky ny firaisankina. Orinasa iray kosa no nijoro ho mpiantoka rano ho an’ireo olon-tsotra mirotsaka manadio eny ifotony.
Hita taratra eto Toamasina ny fifanomezan-tanana sy firaisankina ny rehetra amin’ny fanadiovana ny tanàna fa saingy tsy mora ny manarina.
Akilany, hamafisin’ny ben’ny tanàna, Andriafano­me­zantso Alain, hatrany fa entanina ny rehetra ametraka ny fakony amin’ny toerana azon’ny kamiao mba hanamora ny fanangonana ireo fako ireo. Izay mpilatsaka an-tsitrapo dia afaka misakafo any amin’ny Lapan’ny tanàna, izay haharitra hatramin’ny 30 andro. “Toamasina madio sy milamina tanjona. Toamasina antsika jiaby”, hoy hatrany Ben’ny tanàna.

Sajo

Partager sur: