Fanatsarana ny fanabeazana: Nomena solosaina ny Akany Onjasoa Toamasina

Nisitraka solosaina miisa 10 avy amin’ny mpanao soa ny Akany Onjasoa Toama­sina, ny zoma 20 febroary. Nano­lotra izany, ny Euro.CRM, orinasa misehatra amin’ny tontolon’ny fiantsoana iray eto amin’ ny Nosy. Nosafidiana manokana ny hanampy ireo sekoly ravan’ny rivodoza Gezani lasa teo. Anisan’izany, ny Akany Onjasoa Toamasina. “Zava-dehibe eto Madagasikara ny fitsinjovana ny hoavin’ny ankizy malagasy. Rehefa omena fitaovana entiny mianatra toy ny ankizy rehetra manerana ny Nosy izy ireo dia ho tsara kokoa ny hoaviny ary hitondra fampandrosoana goavana ho an’i Madagasikara izany”, hoy Mehdi Aboullait, tale Jene­ralin’io orinasa io.
“Tombony lehibe eo amin’ ny sehatry ny fanabeazana, indrindra ny fampiofanana arakasa ireo mpianatra ny fahazahoana ireo ordinatera ireo”, hoy kosa ny filohan’ny fikambanana MNG, Razana­mantsoa Emma. Rehefa na­hita ny beazina teto anivon’ny akany izy dia vonona ny hanolotra solosaina miisa 10 indray ho an’ny Akany Iarivosoa Ano­sibe io mpanao soa io, amin’ ity herinandro ambony ity, raha ny fanazavana voaray. Maha­tratra 1400 ny isan’ny ankizy beazina eo anivon’ny Akany Iarivosoa Anosibe amin’izao fotoana. Manomboka eo amin’ny 11 ème hatramin’ny kilasy famaranana ny kilasy.

Mino

Partager sur: