Navoakan’ny fikambanana Vavolombelon’i Jehovah, teny Ivato, Soamanandray ny sabotsy 14 febroary lasa teo ny fandikana ofisialy voalohany ny Filazantsaran’i Matio amin’ny tenin’ ny tanana malagasy. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa fandikana ny Baiboly manontolo amin’ny tenin’ny tanana malagasy io asa io, tetikasa izay natomboka ny volana jona 2025.
Nahatratra enim-bolana teo ho eo ny asa fandikan-teny sy fanaovana ireo horonantsary rehetra ho an’ity filazantsaran’i Matio ity, hoy mpiandraikitra ny tenin’ny tanana ao amin’ny fikambanana, Ratsimbazafy José Faria. “Anisan’ny tena sarotra nefa nahatsara ilay fandikan-teny ny fiantsoana ireo marenina avy any amin’ny faritra samihafa teto Madagasikara hiara-hiasa tamin’ireo mpandika, hijery sy hanitsy an’ilay fandikana Baiboly.
Nanampy an’ireo mpandika teny hahita teny sy voambolana amin’ny tenin’ny tanana fampiasa andavanandro izany ho mora azon’ny marenina rehetra ilay fandikana rehefa havoaka. Azon’ny rehetra jerena na alaina ao amin’ny tranonkala jw.org ny Bokin’i Matio amin’ny tenin’ny tanana malagasy. Misy tatitra milaza fa 200 000 eo ho eo ny isan’ny marenina sy manana olana amin’ny fahenoana eto Madagasikara. Efa ela ny fikambanana no niezaka nanampy ny marenina eto Madagasikara.
Vonjy




