Frantsa sy madagasikara: hihaona ao Paris ny filoha roa tonta

Hihaona amin’ny filoha Frantsay, Emmanuel Macron ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël, rahampitso. Anisan’ny ho voaresaka ny mahakasika ny fiatrehana ny takaitra navelan’ny rivodoza.

Hotanterahina rahampitso ny fihaonana eo amin’ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël sy ny filoha Frantsay Emma­nuel Macron. Fihaonana tanterahina ao amin’ny Lapam-panjakana Elysée. Anisan’ny horesahina ny fiaraha-miasa marolafy eo amin’ny roa tonta. Ho voakasika ny mety hanavaozana izany amin’izao fitantanan’ny eo anivon’ny fanavaozana izao.

Efa nisy fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa maromaro nataon’ny fitondrana momba ny sehatry ny fampianarana ambony, ny lafiny fifandrai­sana ara-toekarena sy sosialy. Teo koa ny fahavononan’i Fran­tsa, araka ny nambaran’ny ambasadaorony, fa hanohana sy hanampy ny fitondram-panjakana ho amin’ny famaliana ny hetaheta tamin’ny fitakiana teny an-kianja izy ireo. Tsy azo ihodivirana ny momba ny voina mahazo an’i Madagasi­kara. Manginy fotsiny ny ma­hakasika ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena sy ny fifidianana. Farany ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny
Fitakiana ny Iles Eparses

Etsy andaniny, baraingo andrasan’ny maro amin’izao fihaonana izao ny momba ireo Nosy manodidina (Iles Eparse). Hanana fahasahiana hanontany sy hiresaka izany ve ny filoham-panjakana?
Marihina fa anisan’ny nam­­­baran’ny filoham-panjakana teo am-piaingana teny Ivato, ny herinandro teo, nialoha ny nivahinianany tany Rosia ny fisokafana miara-miasa amin’ ny firenena rehetra, heverina hahitana tombotsoa ho an’ny vahoaka malagasy i Madaga­si­kara. Vao avy any Rosia ny de­legasionina notarihiny; hi­hazo an’i Frantsa izy ireo. An­dra­sana ny ho vokatr’izao fi­haonana amin’ny filoha Fran­tsay izao.

Synèse R.

Partager sur: