Mbola miatrika tsy fitoviana sy herisetra samihafa ny vehivavy sy ny tovovavy eto Madagasikara. Manome vahana izany ny krizy politika, toekarena ary sosialy.
Mikendry ny hanamafisana ny lanjan’ny 8 marsa ny fikambanana Nifin’Akanga, Women Break the Silence sy ny Autisme Madagascar. Manomana hetsika iombonana eto Antananarivo ny 11 sy 12 marsa ho avy izao izy ireo amin’ny alalan’ny oniversite manome lanja ny vehivavy sy ny siansa ho sehatra ifampitana ho an’ny taranaka. Manohana izany ny sampandraharahan’ny fiaraha-miasa sy ny kolontsaina ao amin’ny masoivoho frantsay (SCAC) eto Madagasikara.
Hampivondrona ny vehivavy mpikaroka, mpisehatra miaro ny zon’ny vehivavy, mpianatra, mpikambana amin’ ny firaisamonim-pirenena ny fihaonana. Tanjona ny hizara fahaiza-manao arahana fifanakalozan-kevitra eo amin’ny mpikatroka hamolavolana politika “feminista”, mifototra amin’ny zava-misy eto Madagasikara, hoy ny mpikarakara.
Dinika maroloko
Hiompana amin’ny lohahevitra efatra ny dinidinika mandritra ny roa andro. Voalohany ny vatantsika, ny fahanginantsika: ny fahaleovan-tena ho hetsika politika. Faharoa, ny mahakasika ny “feminisma”. Fahatelo, ny “laïcité”, ary ny fenitra sosialy amin’ny fiarahamonina malagasy ankehitriny, sisin-tany niomerika sy herin’ ny teknolojia, ary ny vehivavy feminista anaty krizy.
Nisy antso natao ho an’ny fandraisana anjaran’ny mpikaroka, mpikatroka, mpanao gazety hizara sosokevitra sy vontoatin-dahateny, fijoroana vavolombelona ary traikefa hanamafy ny adihevitra mandritra ny hetsika. Haravina ho boky ampiasaina amin’ny adisisika hanatsarana ny tolona ho an’ny zon’ny vehivavy ny vokatry ny dinidinika.
Manantena izahay fa hitondra hevitra vaovao sy aina vaovao ho an’ny hetsika tsy manaiky ny fahanginana sy ny herisetra atao amin’ny vehivavy ny hetsika ataonay, hoy ny filohan’ny Nifin’Akanga, Kemba Ranavela.
Vonjy




