INDRAY MIJERY

Hanomboka hiverina an-dakilasy, anio, ireo mpi­anatra any Toamasina, araka ny fanapahan-kevitra norai­sin’ny Praiminisitra, teto Toamasina, nandritra ny fidinana nataony tao amin’ny CEG Ratsimilaho. Ireo mpianatra hanala fanadinam-panjakana (CEPE, BEPC, Bakalo­rea). Notsipihiny kosa fa arakaraka ny fahafahan’ny sekoly handray mpianatra no idirany amin’izay fampianarana izay. Nodiovina ny CEG Ratsimilaho tamin’ny alalan’ny asa tanamaro. Ny Fid no mandray an-tanana ny fanarenana ity sekoly ity ao anatin’ny 20 andro. Mpilatsaka
an-tsitrapo miisa 143 kosa no manatanteraka izany.
14 tranga ahina vaovao, 16 kosa ny tranga voamarina ho an’ny 21 febroary, araka ny fampitam-baovao momba ny fivoaran’ny aretina nendran-drajako (Mpox), iarahana amin’ ny Prof Mamy Randria “incident manager” cousp nationale, omaly. 34 ny distrika ahitana ny valanaretina amin’izao fotoana izao. Ho an’ny tranga voa­marina, 379 ny isany raha nambara fa sitrana kosa ny marary 255. Tsy mbola nisy aina nafoy aloha hatramin’ izao fa entanina ny isam-batan’olona hanao ny fiarovana rehetra, mila manatona toeram-pitsaboana raha misy zavatra ahina. Ho an’ny tranga 16 vaovao voamarina : 13 hita tany Mahajanga, iray teto Antananarivo Atsi­mon­drano, iray hafa tany Sambava ary iray tany Ambato Boeny.
Hiverina indray ny volon’andro fahavaratra manenika ny faritra maro eto Madagasikara ato anatin’ ny telo andro ho avy fa mety hanatombo kokoa indraindray ho an’ny faritra sasany amin’ny afovoan-tany.

Partager sur: