Seha-pihariana vary : Hiaro ny tombontsoan’ny tantsaha ny fanjakana

Toy ny tany Imerintsiato­sika, nitondra vahaolana manoloana ny vidim-bary tany Alaotra ny minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, Andriama­dison Haingotiana. Tapaka taorian’ny dinika nifanaovan’ny minisitra sy mpamokatra fa ho vidian’ny Orinasam-panjakana State Procurement of Madagascar (SPM) ihany koa ny vary akotrin’ireo tantsaha. Tanjona ny hiarovana ny tombontsoan’ny mpamokatra sy hanohanana azy ireo hatrany. Hentitra tanteraka ny minisitra ka nilaza fa “hotanterahina avy hatrany ny fanapahan-kevitra”. Notsindriany fa hisy ny toeram-pandraisana ny vary avy ao Amparafaravola, Andilamena ary Ambatondra­zaka. Marihina fa nandray anjara tamin’ny fifanakalozana nataon’ny roa tonta tany an-toerana ireo solombavambahoaka voafidy tao Ampara­faravola sy Andilamena ary ny lehiben’ny faritra Alaotra Man­goro. Ireto farany izay nanohana ny tetikasam-panjakana hanatsarana ny seha-pihariana vary. Tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibola 2026 ny hampakarana 6,4% ny famokarana eto Madagasikara. Miantoka ny fampandrosoana rahateo ny fampiroboroboana ny vokatra mba hampihenana ny fanafarana any ivelany izay mampitontongana ny sandam-bolantsika sy mampihiba ny harinkarena.

Henintsoa

Partager sur: