Mitombo hatrany ny olona voasambotry ny polisy mahakasika ny halatra kodiaran-droa eto Antananarivo sy ny manodidina. Tao anatin’ny roa andro, ny zoma 20 febroary sy ny sabotsy 21 febroary lasa teo, miisa efatra ireo olona voasambotra. Tratran’ny polisy miasa ao amin’ny kaomisaria Analamahitsy, tetsy Soavimasoandro, ny zoma lasa teo, ny roa tamin’izy ireo. Nahitana vola mitentina 4 tapitrisa Ariary ihany koa teny aminy. Nisy nangalatra ny 14 febroary 2026 lasa teo ny moto iray ary nametraka fitoriana momba izany, tany amin’ny polisy ny lasibatra. Natao ny fikarohana ka voasambotra ny 18 febroary 2026 lasa teo izy roa lahy. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana moa izy ireo, ka naiditra am-ponja vonjimaika ireto farany.
Ankoatra izay, vehivavy sy lehilahy, voasambotry ny Polisy avy ao amin’ny Kaomisaria foibe Avaradrano teny Ampasika Soavimasoandro, ny 21 febroary 2026 lasa teo. Nahatrarana kodiaran-droa halatra miisa roa tao an-tokantranon’izy ireo. Mitohy ny fanadihadiana ataon’ny Polisim-pirenena hahafahana mitady izay mpiray tsikombakomba amin’ ireto mpangalatra ireto.
Mino




